1. By night on my bed I sought him whom my soul loveth: I sought him, but I found him not.
1. "Sur ma couche, pendant les nuits, J`ai cherché celui que mon coeur aime; Je l`ai cherché, et je ne l`ai point trouvé..."
1. "Teo am-pandriako nony alina, dia nitady ilay tian' ny fanahiko aho; nitady azy aho, fa tsy nahita azy."
2. I will rise now, and go about the city in the streets, and in the broad ways I will seek him whom my soul loveth: I sought him, but I found him not.
2. "Je me lèverai, et je ferai le tour de la ville, Dans les rues et sur les places; Je chercherai celui que mon coeur aime... Je l`ai cherché, et je ne l`ai point trouvé."
2. "Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy ny eny an-kalalahana, hitady ilay tian' ny fanahiko aho; nitady azy aho, nefa tsy nahita azy."
3. The watchmen that go about the city found me: to whom I said, Saw ye him whom my soul loveth?
3. Les gardes qui font la ronde dans la ville m`ont rencontrée: Avez-vous vu celui que mon coeur aime?
3. "Hitan' ny mpiambina izay mandehandeha eny an-tanàna aho; dia hoy aho tamin' ireo: Sao mba hitanareo ilay tian' ny fanahiko?"
4. It was but a little that I passed from them, but I found him whom my soul loveth: I held him, and would not let him go, until I had brought him into my mother's house, and into the chamber of her that conceived me.
4. "A peine les avais-je passés, Que j`ai trouvé celui que mon coeur aime; Je l`ai saisi, et je ne l`ai point lâché Jusqu`à ce que je l`aie amené dans la maison de ma mère, Dans la chambre de celle qui m`a conçue. -"
4. Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian' ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon' ineny, dia any amin' ny efitranon' ilay niteraka ahy.
5. I charge you, O ye daughters of Jerusalem, by the roes, and by the hinds of the field, that ye stir not up, nor awake my love, till he please.
5. Je vous en conjure, filles de Jérusalem, Par les gazelles et les biches des champs, Ne réveillez pas, ne réveillez pas l`amour, Avant qu`elle le veuille. -
5. Mampianiana anareo amin' ny gazela sy amin' ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin' i Jerosalema mba tsy hanaitra na hamoha ny fitiavako, raha tsy efa sitrapony.
6. Who is this that cometh out of the wilderness like pillars of smoke, perfumed with myrrh and frankincense, with all powders of the merchant?
6. Qui est celle qui monte du désert, Comme des colonnes de fumée, Au milieu des vapeurs de myrrhe et d`encens Et de tous les aromates des marchands? -
6. Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an' efitra, tahaka ny andri-setroka, sady mamerovero miora sy ny ditin-kazo mani-pofona, mbamin' ny karazam-bovoka manitra?
7. Behold his bed, which is Solomon's; threescore valiant men are about it, of the valiant of Israel.
7. Voici la litière de Salomon, Et autour d`elle soixante vaillants hommes, Des plus vaillants d`Israël.
7. Indro, ny filanjana an' i Solomona! Lehilahy mahery enimpolo, avy amin' ny lehilahy mahery amin' ny Isiraely no manotrona azy.
8. They all hold swords, being expert in war: every man hath his sword upon his thigh because of fear in the night.
8. "Tous sont armés de l`épée, Sont exercés au combat; Chacun porte l`épée sur sa hanche, En vue des alarmes nocturnes."
8. "An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady; samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin' ny alina."
9. King Solomon made himself a chariot of the wood of Lebanon.
9. Le roi Salomon s`est fait une litière De bois du Liban.
9. Solomona mpanjaka nanao filanjana ho azy tamin' ny hazo avy any Libanona.
10. He made the pillars thereof of silver, the bottom thereof of gold, the covering of it of purple, the midst thereof being paved with love, for the daughters of Jerusalem.
10. "Il en a fait les colonnes d`argent, Le dossier d`or, Le siège de pourpre; Au milieu est une broderie, oeuvre d`amour Des filles de Jérusalem."
10. Volafotsy no nataony andriny, volamena no fiankinana, volomparasy ny rakony. Ny eo afovoany dia voaravaka amin' ny fitiavana, ho an' ny zanakavavin' i Jerosalema.
11. Go forth, O ye daughters of Zion, and behold king Solomon with the crown wherewith his mother crowned him in the day of his espousals, and in the day of the gladness of his heart.
11. Sortez, filles de Sion, regardez Le roi Salomon, Avec la couronne dont sa mère l`a couronné Le jour de ses fiançailles, Le jour de la joie de son coeur. -
11. Mivoaha, ry zanakavavin' i Ziona, ka mijere an' i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satroboninahitra nasatro-dreniny azy, tamin' ny andro nampakarany vady, dia tamin' ny andro nifalian' ny fony.
<
>